Alain Ramaroson : Tsy nahazo fahafahana vonjimaika

Alain Ramaroson : Tsy nahazo fahafahana vonjimaika

99

Niakatra fitsarana teny Anosy i Alain Ramaroson, omaly. Nandritra izany no nangatahany fahafahana vonjimaika fa nolavin’ny fitsarana. Tsy tontosa omaly tokoa mantsy ny fitsarana an’i Alain Ramaroson, izay voarohirohy sy notorian’ny fianakaviany noho ny fanaovana sy fampiasana hosoka.
Omaly tokoa no andro voatondro niakaran’ny raharaha iray anenjehana azy teo anatrehan’ny fitsarana. Taorian’ny fangatahan’ny mpisolovavany anefa, dia nahemotra amin’ny 20 Jona izany. Ary eo am-piandrasana izany, dia nangataka fahafahana vonjimaika ity mpanao politika ity, fa tsy neken’ny fitsarana izany, ka miverina eny am-ponja ny anao lahy.
Hatambatra amin’io andro io avokoa ary miaraka ho tsaraina, raha ny vaovao voaray, ny fitoriana 2 anenjehana an’ity mpanao politika ity.
Raha tsiahivina, dia ny fianakaviany mihitsy no nitory ny filohan’ny antoko politika MASTERS teo anatrehan’ny fanaovany sy fampiasany hosoka tamina resaka tanim-pianakaviana eny Ambohimangakely sy eny Andoharanofotsy. Teny amin’ny trano fonenany etsy Andoharanofotsy, raha tsiahivina hatrany, no nisamboran’ny mpitandro filaminana an’i Alain Ramaroson, ny tapatapaky ny volana Aogositra 2016.

Tantely A

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.