Ambatoroka : jiolahy maty voatifitry ny polisy

Lehilahy iray no maty voatifitry ny Polisy avy ao amin’ny Unité Spéciale d’Intervention ny Alahady 29 martsa teo raha nikasa ny hanafika « villa » iray tao Ambatoroka. Taorian’ny fanafihana mitam-piadiana nataona andian-jiolahy tetsy Antsahabe ny 20 martsa lasa teo, dia nahazo filazana avy tamin’ny loharanom-baovaony ny Polisy fa misy mikasa hanao fanafihana eny Ambohimanambola sy Ambatoroka akaikin’ny Villa Berlin eny.

 Raha vao nahafantatra izany ny Polisy dia nametraka velapandrika teny amin’ireo toerana voalaza ireo. Ny 29 martsa 2020, nanomboka tamin’ny 05 hariva dia efa nanao fitsirihina teny amin’iny faritra Ambatoroka iny ny Polisy. Ny andron’io ihany tokony ho tamin’ny 09 ora alina dia nahatsikaritra lehilahy 02 nihaodihaody teo amina « villa » iray teo akaiky teo ny mpitandro filaminana. Nanao fampitandremana avy hatrany ny Polisy, ka vantany vao naheno izany izy roalahy dia nirifatra nandositra. Raikitra ny fifampitifirana ka lavo tamin’izany ny iray tamin’ireo jiolahy raha tafaporitsaka kosa ilay namany. Tratran’ny Polisy teo ihany koa ny basy vita gasy iray miaraka amina bala 02. Marihana fa ity jiolahy voatifitra ity dia efa voamarin’ny Polisy fa nanafika « cash point » teny akaikin’ny Mausolée izay nahafatesana Polisy iray, efa nanao fanafihana mitam-piadiana teo Isoraka, fandrobana teo Tsiadana sy Ankatso ary nanao fanafihana « station d’essence » miaraka amin’ny moto teo Ankorondrano ihany koa.

TR

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.