- Madagascar Television - https://matv.mg -

Andohamandry : Lehilahy iray maty nihotsahan’ny tranony

Andohamandry : Lehilahy iray maty nihotsahan’ny tranony

Loza iray mateti-pitranga eto amintsika amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra sy ny rivodoza ny tany sy ny trano mihotsaka. Isan-taona dia misy hatrany ny aina afoy vokatr’izany.

Trano lehibe iray, somary efa ela ihany no nirodana tetsy Andohamandry eny amin’ny la haute omaly maraina tokony ho tamn’ny 1 ora tany ho any. Lehilahy iray 63, antsoina hoe Donné no namoy ny ainy tamin’izany ary zanany roa lahy kosa naratra. Tamin’ny 1 ora maraina no niseho ny loza fa tany amin’ny 3 ora maraina kosa no hitan’ny mpamonjy voina ny razana. Raha araka ny fanazavana nomen’i Clarisse Rasoazanatsimba, fianakavian’ny namoy ny ainy.
Ny alin’io no efa nahare zavatra mitsitra ny iray trano ka nifampiresaka ny hivoaka. Tsy tapitra akory anefa ny tenin’izy ireo no avy hatrany dia nianjera ilay trano. Nisy ireo tafavoaka fa izy telo kosa no voatsindrin’ny rindrina. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly izy roa lahy. Ilay fanintelony kosa anefa dia tsy nisy nahafantatra hoe natory tao sa ahoana. Raikitra ny fikarohana ka ny vatany efa mangatsiaka no nalain’ny pompier tao amin’ilay trano.
Efa tany am-piandohan’ny fahavaratra no voalaza fa efa nisy ny fanentanana izay nataon’ny fokontany teny amin’ny La haute mahakasika an’ireo trano atahorana hianjera hoy I Rafaranirina Marie Yvonne, lehiben’ny fokontany. Tsy nisy fambara kosa anefa ny mahakasika an’ity trano ity. Efa nisy ihany koa anefa ny fananganana cellule de veille nandritra ny fandalovan’ny rivodoza iny. Efa nsy ireo olona nafindra toerana tamin’izany.

TR


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/andohamandry-lehilahy-iray-maty-nihotsahanny-tranony/

Copyright © 2014 . All rights reserved.