Andrianony Victorien (filoha lefitra voalohan’ny fmf) : “manana andraikitra goavana amin’ny ady atao amin’ny fipariahan’ny covid-19 ny baolina kitra malgasy” (16h00)

Manoloana ny ady atao amin’ny fipariahan’ny valanaretina Coronavirus, dia efa ny zoma 20 Martsa tolakandro teo no namoaka fanambarana fanafoanana ny fifaninanana rezionaly sy nasionaly manerana ny Nosy ny Federasiona Malagasy ny taranja baolina kitra. Namafisin’ny Fitondram-panjaka tamin’ny alalan’ny fanambarana nataon’ny Filoham-pirenena, amin’ny tsy fahafahana manao hetsika ara-panatanjahantena, izany ny zoma hariva ihany. Tetsy ankilan’izay, dia nampiato ny fifaninanana karakarainy ihany koa ny CAF sy ny FIFA, izay rafitra miahy ny baolina kitra aty Afrika sy maneran-tany. Rariny loatra araka izany, raha nandray fanapahan-kevitra tahaka izany ihany koa ny FMF, izay rafitra eo ambany fiahian’ny CAF sy ny FIFA. Nanambara moa I Victorien Andrianony, filoha lefitra voalohany eo anivon’ny FMF, fa manana andraikitra goavana amin’izany ady ataon’ny firenena Malagasy amin’ny fipariahan’ny COVID-19 izany ny baolina kitra Malagasy. Iza tokoa, hoy izy, no tsy nahatsapa tato ho ato, fa niaka-danja sy nahasarika ny Malagasy ny baolina kitra, taorian’ny vokatra azon’ny Barea. Tsy maintsy nandray ny fanapahan-kevitra araka izany ny tomponandraikitry ny FMF, mba tsy amin’ny alalan’ny hetsika eo amin’ny taranja baolina kitra no hipariahan’ny valanaretina. Na izany aza, dia tokony hampiseho firaisankina ireo mpankafy baolina kitra Malagasy ireo hanatanterahana ny ady miandry. Raha toa tokoa mantsy hoy izy, ka miray hina sy manaraka ny toromarika ny Malagasy tsy ankanavaka, dia hahazo fandresena tahaka ny Barean’I Madagasikara tamin’ny fifaninanana nataony tato ho ato. Nanamafy ity filoha lefitra voalohan’ny FMF ity, teo am-pamaranana, fa mafy sy tsy nisy azo nambaniana ny mpifanandina tamin’ny Barea, saingy resiny hatrany noho ny firaisankina sy ny fanarahana ny toromarika napetraky ny mpanazatra.

                        Jacquinot R.

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.