Auguste Raux : naiditra hopitaly noho ny AVC

Naiditra hopitaly maika eny Soavinandriana androany i Raux Auguste, izay isan’ny mpanazatra manana ny lazany sy ny toerany eo amin’ny tontolon’ny Baolina kitra. Efa ao anaty fitsaboana tanteraka amin’izao ireo mpitsabo, na dia mbola tsy mahatsiaro tena aza i Auguste Raux. Raha tsiahivina, dia efa nandritra azy nanazatra ny ekipan’ny USCAFOOT Analamanga no nahitana tsy fahatomombana teo amin’ny tosidran’ i Maître Raux Auguste. Na dia hita efa nahazo taona tokoa mantsy aza ity teknisianina ity, dia mbola nanampy sy nanoro hatrany ireo mpilalao zandriny ny pitsopitsony tokony ilaina amin’ny baolina kitra. Noho ny harerahana, araka izany, no nahatonga izao aretina nahazo azy izao. Ity mpanazatra ity izay nanampy sy nanolotsaina an’i Nicolas Dupuis, nandritra ireny fahombiazan’ny Barea tamin’ny CAN 2019 natao tany Egypte ireny. Amin’izao fotoana izao, dia manazatra ny ekipan’ny ELGECO PLUS, izay efa nentina tao anaty taona vitsivitsy i Raux Auguste. Ankoatra izay dia klioba maro no efa nahazo ny traikefany teo amin’ny tontolon’ ny baolina kitra. Efa imbetsaka ihany koa izy no voaantso hanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy. Ny tontolon’ny Fanatanjahantena, indrindra ny baolina kitra sy ny mpikirakira vaovao ara-panatanjahantena eto anivon’ny vondrona Ma-TV, dia mirary fahasitranana feno ho an’i Maître Auguste Raux.

Jacquinot R.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.