BAZARY BE TOLIARY: MITOMBO NY KAOMANDY “CACHE BOUCHE”ZAITRA AN-TSENA (13h00)

Hita soritra amin’ny fiainana andavanandro ny fahatahoran’ny mponina eto Toliary ny fiparitahan’ny aretina Coronavirus. Nifampitadiavana ny fiaro vava nanomboka ny sabotsy lasa teo. Ho an’ireo fianakaviana izay tsy manana ny fahefa-mividy ahazoana izany eny amin’ny farmasia, dia misafidy mampanjaitra. Nanomboka ny Sabotsy lasa teo, nitombo ny kaomandy voaray ho an’ireo mpanao zaitra an-tsena ao amin’ny Bazary Be Toliary. Amidy 1000 ariary ny iray, raha mandray vita. Manodidina ny 500 ariary kosa ny saran’ny fanjairana raha miantoka ny kojakoja sy ny lamba ny mpividy.

Fah A.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.