Coronavirus : Olona roa indray no nahitana ny tsimokaretina

Olona roa (2) indray no voalaza fa ahitana ny tsimokaretina Covid-19 raha nandalo tamin’ny fizahana (testés positifs). Izany no fanambarana nataon’ny Pr Vololontiana Hanta androany sabotsy 28 martsa avy eny amin’ny Foiben’ny fandrindrana ny asa mikasika ny Covid-19 eny Ivato. Miisa 28 araka izany, hatramin’ny androany, ireo olona ahitana ity tsimokaretina ity. Ny 20 amin’izy ireo dia salama vatana tsara, fa ny 8 kosa no ahitana endrika sasantsasany maneho aretina, toy ny sery, koha-maina na koa valabalaka ara-batana. Araka ny fanazavana hatrany dia ny 3 amin’ireo 8 ireo no tratran’ny hasemporana ary arahi-maso akaiky ny toe-pahasalamany, ka ny iray moa ilay efa voalaza fa tao anatin’ny “détresse respiratoire” andro vitsy lasa izay, saingy efa mihatsara tanteraka tsikelikely ny fahasalamany ankehitriny.

Raha iverenana ireo olona 2 vaovao androany, dia voalaza fa tsimokaretina avy any ivelany ihany (cas importés) izy ireo, ka ny iray dia lehilahy 43 taona teratany Malagasy ary ny faharoa kosa dia lehilahy teratany italianina, izay samy tonga tamin’ny sidina ET 853 teny Ivato tamin’ny 17 martsa farany teo. Efa arahi-maso akaiky moa ny fahasalaman’izy ireo.

Antitranterin’ny Pr Vololontiana Hanta hatrany ny tokony hanarahan’ny rehetra ny fitsipika fihibohana an-trano mba tsy hiparitahan’ity tsimokaretina ity. Ampahatsiahiviny fa tsy mbola nahitana fanafody fanefitra izy ity hatramin’izao, ka ny fiarovan-tena ihany no mbola vahaolana. Eo ihany koa, hoy izy, ny tokony hihinanana sakafo voalanjalanja sy ahitana ireo singa ahafahana manamafy ny hery fiarovana ao amin’ny vatana, toy ny legioma sy ny voankazo.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.