Covid-19 : olona 4 indray no voamarina fa voa

Nambaran’ny Pr Vololontiana Hanta androany atoandro fa olona 4 vaovao indray no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19 taorian’ny fitiliana natao teny amin’ny Institut Pasteur. Tafakatra 54, araka izany, ny isan’ny ireo olona mitondra io tsimokaretina io eto Madagasikara. Toy izao ny momba ireo olona 4 vaovao ireo : lehilahy avy izy ireo, 16 taona, 13 taona, 49 taona ary 30 taona. Ny telo voalohany avy eto Antananarivo ary ny fahefatra farany kosa any Toamasina. Samy efa nampidirina hopitaly avokoa izy ireo ary efa manaraka fitsaboana. Fifandraisana tamina olona mitondra ny tsimokaretina coronavirus avy any ivelany, no nahazoan’izy ireo ity aretina ity.

Momba ireo olona nahavita “test rapide” teny amin’ny CCI  Ivato sy teny amin’ny Jumbo Score kosa indray, dia mbola averina hatao PCR eny amin’ny Institut Pasteur izy ireto aorian’izay, mba hahazoana toky tsara.

Sidonie R.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.