Fahazoan-dalana mivezivezy sahiran-tsaina ireo mpamita iraka hiverina eto Antananarivo

Tsy fantatra intsony ny tena marina. Mitaraina ny mpiasa namita iraka ivelan’Antananarivo hamonjy fodiana. Tsy mazava ary toa samy manao ny saim-pantany ireo manam-pahefana isan-tanàna sy isaky ny faritra amin’ny fanomezana ny fahazoan-dalana manokana ahafahana mivezivezy, hoy Andriamatoa Iada mpampiofana ao amin’ny vondron’ny mpikirakira vata fampangatsiahana na “Union des frigoristes de Madagascar izay namita iraka tany Toliary.

Noho ireo fepetra noraisina ho fiadiana amin’ny aretina coronavirus, dia nofoanana ny fiofanana izay nokasaina natao nanomboka ny 20 Martsa 2020 lasa teo, tany Toliary. “Araka ny fanazavana azonay, dia tsy maintsy manana fahazoan-dalana manokana ahafahana miakatra any Antananarivo izahay. Tonga tao amin’ny Toby miaramila ao amin’ny Rezimanta voalohan’ny Faritany Miaramila faha-5, izay nolazaina fa misy ny tompon’andriakitra ahazoana izany izahay saingy tsy nahazo fahafaham-po sady tsy nahazo valin-teny mazava. Tsy hita izay hatao noho izany raha misy ny sakana sy fisavana ny fahazoan-dalana manokana mivezivezy mandram-pahatonga any Antananarivo”, hoy ity mpampiofana ity.

Vokatr’io fanahiana ateraky ny tsy fahazoana fahazoan-dalana io, dia misy amin’ireo mpiasa mpamita iraka sasany nifampiresaka taminay tany Toliary, no nahazo baiko tamin’ny orinasa nairaka azy hanalava ny fotoana nijanonany tany an-toerana, na dia efa nofoanana aza ny anton-dian’izy ireo mba hialana amin’ny mety ho olana sedraina tampoka eny an-dalana.



Fah A.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.