Fianarantsoa : nohidiana ny Fokontany misy ilay vehivavy 61 taona

Nilaza ny Filoham-pirenena fa efa misy vehivavy iray voamarina fa tratran’ny coronavirus any Fianarantsoa. Tsy mbola misy anefa ny fepetra manokana noraisina momba an’i Fianarantsoa, tahaka ny fepetra manokana fampihibohana ho an’Antananarivo sy Toamasina. Eo anatrehan’izany, mba ho fisorohana ny fiparitahan’ity areti-mifindra ity, dia nandray fepetra manokana ny Governoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony, Razafindrafito Lova Paupil. Nohidiana tanteraka na « confinement total » ny fokontany Antamponjina, izay misy ny toeram-ponenan’ilay vehivavy 61 taona nambaran’ny Filoham-pirenena. Mihatra ihany koa ny fihibohana na tsy fahazoana mivoaka ny trano any Fianarantsoa.

Nitondra fanampim-panazavana mikasika ity tranga ity ihany koa Razafindrafito Lova, Governoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony. Nanao antso ho an’ireo rehetra izay nifandray sy nitakosina tamin’ilay vehivavy 61 taona, izay voamarina fa voan’ny Coronavirus, ny Governora mba hanatona tobim-pahasalamana. Efa misy ny toby manokana nomanina handraisana azy ireo hatao fitiliana ao amin’ny fokontany Ankofafa sy Mahazengy, araka ny antso nataon’ny Governoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony.

Araka ny fanazavana dia niaraka tamin’ny sidina MK288 ary tonga ny 19 Martsa 2020 ity vehivavy ity ary efa natoka-monina tany amin’ny hotely. Ao amin’ny fokontany Antamponjina no misy azy miaraka amin’ny fianakaviana 9 hafa. Efa arahi-maso ary tsaboina any amin’ny CHU Andrainjato avokoa izy ireo amin’izao fotoana izao, ankoatra ilay fepetra nanidiana tanteraka ny fokontany.

Momba ilay tranga mpampiahiahy mikasika vehivavy 27 taona izay avy any Norvège, ny 14 Martsa 2020 ary mipetraka ao Ivory Avaratra, dia mbola manaraka fitsaboana sy fanarahamaso any amin’ny CHU Andrainjato izy 6 mianaka. Mbola andrasana kosa ny valin’ny fitiliana avy amin’ny Institut Pasteur momba ireo olona miisa 41 nifanerasera tamin’ity vehivavy avy any Norvège ity.

Farany, dia namafisina ireo fepetra rehetra efa noraisina hatramin’izay ao an-tampon-tanànan’i Fianarnatsoa. Ezahana hampanakaikezina ny vahoaka isam-pokontany ny tsena mba hisorohana ny fivangongoan’ny fahamaroan’ny olona ao amin’ny tsena Anjomà. Hivoaka isaky ny amin’ny 12 ora sy sasany ny mpamonjy voina hampaneno anjomara hampahafantarana sy ho fampahatsiahivana ny fepetra. Hidina an-dalambe ny zandary sy ny miaramila isan’andro manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ary hanasazy ireo rehetra izay tsy manaja ny fitsipika. Amafisina ny tsy fahazoana mivoaka ny trano.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.