Fihibohana any Toamasina : mpanao gazety iray naratra nandritra ny hetsiky ny mpitondra posy

Nafana ny tany Toamasina, ny Alatsinainy lasa teo. Manohitra ny fihibohana ny tanora sy ny fokonolona tao amin’ny fokontany Morarano sy Tanambao Verrerie ary Ambalakisoa. Nifandona ny mpitandro filaminana sy ny mpanohitra ny fihibohana. Mpanao gazety iray, nanao ny asany, no fantatra fa naratra voatora-bato vokatr’izany.

Nisy nikasa hihoa-pefy hamaky toeram-pivarotana tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana, ka voatery niditra an-tsehatra nandrava azy ireo tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana. Torabato avy hatrany no setrin’izany, ka izao niteraka faharatrana ho an’ny mpanao gazety am-perinasa izao.

Momba ity raharaha any Toamasina ity, dia nanambara ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny alin’ny 30 Martsa lasa teo, tao amin’ny fahitalavi-pirenena, fa efa nidina ifotony ny Praiminisitra ary efa nisy ny fifampiresahana ary hatsaraina ny fizarana ny solon-tsakafo.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.