Fihibohana : Ilaharana ny mpivarotra horonantsary

Ankoatra ny sakafo ilaina amin’ny fiainana andavanandro, dia isan’ireo ilaharan’ny olona ihany koa amin’izao fotoana fihibohana izao, ny toerana fividianana na fanofàna horonantsary isan-karazany. Tsikaritra tato ho ato fa be olona milahatra eny amin’ireny toerana fivarotana azy ireny, ary mila tsy ho voahaja ny elanelana 1 metatra isaky ny olona. Films na séries na koa sarimiaina dia samy maro mpisafidy avokoa, ary ahitana ihany koa ny sahaza ny tsirairay avy.

Araka ny fanazavana, dia ahitana fiakarany ihany koa ny vidin’izy ireny. Lasa 500 ariary ny film iray raha toa ka 300 ariary izany teo aloha. Ny tantara mitohy kosa dia  amidy 2000 ariary ny “saison” iray raha toa ka 1500 ariary izany  teo aloha. “Raha tsy maintsy hijanona sy hihiboka any an-trano ihany, dia aleo mba manala andro amin’ny fijerena horonantsary miaraka amin’ny fianakaviana. Zara aza mba mbola misy misokatra ireo mpivarotra”, hoy ny mpanjifa iray teny Itaosy.

Fantatra anefa fa tafiditra ao anatin’ny mpivarotra isan’ireo tsy tokony hisokatra ireny mpivarotra ireny.

TR.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.