Filoha Andry Rajoelina : «misy ny vary »

Nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny vahoaka Malagasy omaly alina tao amin’ny fahitalavim-pirenena dia nanamafy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fa misy ary tokony ho ampy mandritra ny fotoana maro ny vary. « Amin’izao fotoana izao isika dia fotoana fiakaran’ny vary gasy. Ho an’ireo vary afarana avy any ivelany indray dia manana tahiry milanja 22 taonina isika  any Toamasina izany hoe sambo roa lehibe. Ho avy tsy ho ela ihany koa ny sambo irayfanampiny ». Ary nambaran’ny filoha fa mbola misy ambiny 450 000 taonina ihany koa efa azo tsinjaraina.

Na izany na tsy izany aza hoy izy dia efa hatomboka ihany koa ny antsoina hoe Opération Tsinjo. Izy ity dia iarahana miasa amin’ireo solom-bavahoaka sy ireo tompon’adraikitra isaky ny kaominina rehetra. Aterina any amin’ireo toeram-pivarotana enta-madinika na ny épicerie mihitsy ireo vary ireo mba hahafan’ny vahoaka manjifa azy.

Mbola namerina ny antso avo amin’ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay ihany koa anefa ny filoha Andry Rajoelina, indrindra fa ho an’ireo mpivarotra izay mbola manana tei-dratsy manafina ireny vary ireny mba hahafahana mamarotra izany amin’ny vidiny lafolafo kokoa ao aoriana. « Amin’ny fotoana tahaka izao dia ianareo mpivarotra no mpanavotra ny vahoaka Malagasy iray manontolo ka aoka mba hajanona ilay fitiavan-kely ».

Nandritra io fanazavana io koa no namerenany fa afaka mifamezivezy ireo fiara mpitatitra entana izay ilain’ny mponina andavanandro ka tsy tokony haiahy ireo mpamokatra sy tantsaha any ambanivohitra rehetra any fa tsy maintsy ho tafavoaka ny vokatr’izy ireo ary tsy maintsy hitobaka eny amin’ny tsena tahaka ny mahazatra ihany.

Mbolatiana R

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.