Hampiakarina 1 000 isan’andro ny isan’ny fitiliana ny Covid-19

Fomba mahomby ifehezana ny fiparitahan’ny areti-mifindra Coronavirus ny fanamafisana ny fanarahamaso sy ny fampitomboana  ny isan’ny fitiliana. Nametraka tanjona ny Fitondrana, araka ny nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, fa hakarina ho 1 000 isan’andro ny isan’ny olona voatily rahatoa ka mbola 100 hatramin’ny 150 isan’andro izany hatreto. Efa misy ny fampihofanana omen’ny Institut Pasteur ho an’ireo biologistes malagasy. Ho ampiana ny fampitaovana ary hanokatra laboratoara 3 ho sahanin’ny Malagasy ny Fitondrana mba hanatrarana io fitiliana 1 000 isan’andro io.

Araka ny fanazavan’ny Filoha, dia hanokatra toeram-pitiliana na laboratoara miisa telo ny Malagasy, ka ny Ministeran’ny Fahasalamambahoaka sy ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa no hiara-misalahy amin’izany. Ho velomina ihany koa ireo laboratoara any amin’ny Faritra, tahaka ny any Mahajanga sy Fianarantsoa.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.