Mananara Avaratra : Bolabolan’andramena 22 saron’ny zandary

Mananara Avaratra : Bolabolan’andramena 22 saron’ny zandary

55

Bolabolan’andramena 22 indray no saron’ny zandary tao Mananara ny 30 Jona lasa teo.
Efa tao anaty sambo kely, ary efa vonona haondrana an-tsokosoko mihitsy ireto hazo sarobidy ireto izao tratra izao.
Amin’izao fotoana izao dia fantatra fa manao hetsika manokana hiadiana amin’ny trafikana andramena ny zandarimariam-pirenena any amin’ny faritra Analanjirofo sy ny sampan-draharaha rehetra eny an-toerana.
Noho ny fiaraha-miasa tamin’ny APMF tamin’ny fifanakalozam-baovao no nahitana ilay sambo kely niantsona teo amin’ny seranana.
Nampiahiahy tokoa izany, ka nidina teny an-toerana ireo mpitandro filaminana sy ireo tompon’andraikitra tao amin’ny APMF.
Vao nahatazana azy ireo dia nirifatra nitsoaka ireo tantsambo tao amin’ity sambokely ity.
Tsikaritra nandritra ny fizahana sy ny fisavana fa notakoman’ireo olon-dratsy ny anaran’ity sambo kely saika hanondranana ireo hazo sarobidy ity.
Nogiazana avy hatrany ireo andramena sy ilay sambo, ka ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Mananara no mandray an-tanana ny raharaha.
Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia fantatra ny anaran’ny tompon’ity sambo ity, ka efa eo am-pikarohana azy ireo mpitandro filaminana any an-toerana.
Hatramin’ny nahazoana ny vaovao dia tsy mbola nisy voasambotra na ny tompon’ilay sambo, na ny tompon’ireo bolabolan’andramena, na ireo tantsambo tafatsoaka.
Na dia tsy kely lalana aza ny ratsy amin’ity resaka fanondranana an-tsokosoko andramena ity, dia tsy mitsahatry ny mikaroka ireo olon-dratsy sy manadihady hatrany ny zandary, ka izao nahitam-bokany izao.

Tantely A

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.