- Madagascar Television - https://matv.mg -

Niditra tamin’ny andro faharoa ny fitiliana faobe

Niditra tamin’ny andro faharoa androany alarobia 1 Aprily ny fitiliana faobe ireo mpandeha tamin’ny sidina tonga tetsy Ivato, nanomboka ny 11 Martsa 2020.

Ho an’ny androany, dia ireo mpandeha tonga ny 16 Martsa no natao io fitiliana io tetsy Ankorondrano, ka miisa 639 izy ireo no natao izany. Manaraka ny fepetra ara-pahasalamana sy ny mahamatihanina ny fanaovana ny fitiliana. Hentitra dia hentitra ireo tomponandraikitra eo am-panatanterahana izany.

Raha sendra ka misy ny tranga hita amin’ireo atao fitiliana, dia efa vonona ireo ekipa miandraikitra izany. Na ireo fitaovana andraisana azy ireo ihany koa aza, raha sanatria misy izany, dia efa eny an-toerana avokoa. Ny mpitsabo sy ny fiara manokana ihany koa dia efa vonona tanteraka. Na ny fiarovana ho an’ireo mpanao fitiliana ihany koa dia tsy atao ambanin-javatra.

Tsy ankanavaka, fa ny rehetra tonga eny an-toerana na iza na iza, dia tsy maintsy manaraka ny lamina sy ny fepetra rehetra hisorohana ny mety hiparitahan’ity valanaretina ity, raha sendra misy ny tranga voamarina amin’ireo olona rehetra atao fitiliana.

Ankoatra ireo andrasana hanao ny fitiliana, dia efa nahatratra 700 mahery ireo nahavita izany, araka ny fanazavana izay voaray. Tany an-tranony sy tamin’ny toerana nihibohany no nanaovana izany.

Mazava ho azy fa mahazo “certificat” entina hanamarinana fa nahavita ny fepetra rehetra narahina, ary tsy mitondra ny tsimok’aretina, ireo izay voamarina fa “négatif” ny fitiliana natao.

Olona 1 ny talata lasa teo no voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina “coronavirus” tamin’ireo natao fitiliana tetsy Ankorondrano, ary efa noraisina ny fepetra rehetra nifanaraka tamin’izany.

Tantely A


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/niditra-taminny-andro-faharoa-ny-fitiliana-faobe/

Copyright © 2014 . All rights reserved.