Toamasina : nidina an-dalambe ireo mpitari-posy

Mpitari-posy miisa 3 000 teo no nidina an-dalambe tao Toamasina androany maraina. Tezitra izy ireo raha nahare ny fandraisam-pitenenan’ny Filoham-pirenena mikasika ny vola fanampiana ny mpamily sy mpanampy taksibe ary ny mpivaro-tena, kanefa izy ireo tsy mba tafiditra tao anatin’izany lisitra hahazo fanampiana izany. Rehefa nandeha ny fidinana an-dalambe, tao an-tampon-tanànan’i Toamasina, dia raikitra ny tora-bato ka voatery niditra an-tsehatra ny Emmoreg nandrava ny hetsika fitokonana.

Efa nilamina ny raharaha amin’izao fotoana izao.

SR

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.