- Madagascar Television - https://matv.mg -

Toetr’andro : misy andro ratsy miforona

Misy andro ratsy miforona ao amin’ny Ranomasimbe Indiana, araka ny vinan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. Tamin’ny 10 ora maraina teo dia any amin’ny manodidina ny 2230 Km Avaratra Atsinanan’ny Nosy no misy ny foibeny. Andrasana ny fivoarany ho rivodoza manomboka rahampitso Alakamisy. Na izany aza, dia tsy ahiana hanakorontana ny toetry ny andro eto Madagasikara ny fisiany.

Handrivotra ny andro any Atsimo Andrefana sy ny morontsiraka andrefana.

Hanorana malefaka miatoato ny tapany Atsinanan’ny Nosy iray manontolo. Ho maloka ary mety hanerika ny afovoantany sy ny faritra avo. Handrahona kosa ny faritra Atsimon’ny Nosy, raha ho maina izany ho an’ny faritra sisa rehetra ho an’ny rahampitso alakamisy 2 Aprily.



Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/toetrandro-misy-andro-ratsy-miforona/

Copyright © 2014 . All rights reserved.