Tsarasaotra : Olona roa maty nofaohan’ny fiara

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona  tetsy Tsarasaotra ny marainan’ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany. Olona 2 no namoy ny ainy tamin’izany. 

Fiara 405 no nirimorimo mafy ka nandona ireto mpandeha an-tongotra, vehivavy 21 taona sy lehilahy 29 taona. Maty tsy tra-drano ireo olona ireo.

Ilay lehilahy mpamily kosa dia nosamborin’ny polisy avy hatrany ary atolotra ny Fitsarana tsy ho ela, araka ny vaovao voaray avy amin’ny polisim-pirenena.

TR

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.