- Madagascar Television - https://matv.mg -

Tsarasaotra : Olona roa maty nofaohan’ny fiara

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona  tetsy Tsarasaotra ny marainan’ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany. Olona 2 no namoy ny ainy tamin’izany. 

Fiara 405 no nirimorimo mafy ka nandona ireto mpandeha an-tongotra, vehivavy 21 taona sy lehilahy 29 taona. Maty tsy tra-drano ireo olona ireo.

Ilay lehilahy mpamily kosa dia nosamborin’ny polisy avy hatrany ary atolotra ny Fitsarana tsy ho ela, araka ny vaovao voaray avy amin’ny polisim-pirenena.

TR


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/tsarasaotra-olona-roa-maty-nofaohanny-fiara/

Copyright © 2014 . All rights reserved.