Vontovorona : nijery akaiky ny fiambenana ny toerana fihibohana ny Jly Ravalomanana

Olona 67 amin’izao fotoana izao no mbola arahi-maso ara-pahasalamana sy mihiboka etsy Vontovorona.

Izy ireo dia olona avy any ivelany avokoa, ary misy teratany vahiny.

Nidina teny an-toerana, misy io toerana fihibohan’ireo olona avy any ivelany, arahi-maso mikasika ilay valanaretina « coronavirus » io androany ny Jeneraly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena. Hentitra ny tenany niresaka tamin’ireo zandary miambina ity toerana ity, ary mila sarotiny izy ireo eo am-panatanterahana ny asa, hoy izy.

Mazava ny fepetra sy ny lamina efa napetraka, fa tsy misy na iza na iza afaka mivezivezy sy miditra, na ireo ao anatiny, na ny avy any ivelany.

Efa mipetrapetraka ny asa ho an’ireo zandary eny an-toerana, ka eo ny fiambenana ny vavahady, fa arahi-maso akaiky ihany koa ny tanàna iray manontolo, hisorohana ny mety fitsoahan’ireo olona arahi-maso ara-pahasalamana.

Mirindra ihany koa ny asa eo amin’izy ireo sy ny mpitsabo, ka tsy misy afaka mivezivezy afa-tsy izay mahazo alalana irery ihany. Ny entana tonga dia ireo mpitsabo no mandray izany, ary ireo mpitandro filaminana kosa dia mandray an-tsoratra fotsiny.

Ireo olona ao anatiny dia izay mahazo taratasy fanamarinana avy amin’ny mpitsabo irery ihany no afaka mivoaka.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.