- Madagascar Television - https://matv.mg -

ADY AMIN’NY « CORONAVIRUS » :NIVOAKA AN-DAKAZERINA NY MIARAMILA SY IREO “BLINDE”

Tsy misangy na mivazivazy ny Fanjakana, fa dia mipetraka ny “état d’urgence sanitaire”, na ny famehana aram-pahasalamana, manoloana ny ady atao mba tsy hiparitahan’ilay valan’aretina “coronavirus”, izay efa eto amintsika sy misy Malagasy mitondra ny tsimokaretina.

Mazava ny nambaran’ny Filoham-pirenena, fa ao anaty “confinement” isika izao, izany hoa mihiboka any an-trano fa tsy misy mahazo mivoaka.

Hampiharana izany dia nivoaka an-dakazerina ny miaramila, ka vao maraimbe omaly, nanomboka tamin’ny 4 ora dia efa nihatrana teny an-dalana teny izy ireo.

Tsy ireo vata-miaramila ihany no hita teny rehetra teny, fa na ireo “bilandé”, na ireo fiara mifono vy sy fiara tsy mataho-dalana lehibe dia navoaka ihany koa.

Izany fepetra izany dia ho fampiharana araka ny tokony ho izy ny fotoanan’ny “confinement”.

Mazava ny nolazain’ny Filoha, fa ireo tsy maintsy miasa ihany no tokony hivoaka ny trano, dia ireo mpiasan’ny Fahasalamana sy ireo eny amin’ny toeram-pivarotana fanafody, mpitandro filaminana, mpanao gazety sy ireo misehatra eo amin’ny tontolon’ny serasera. Isan’izany ihany koa ireo ao amin’ny fitsarana, ny mpiasan’ny banky, ireo mpivarotra PPN, na ireo kojakoja ilaina amin’ny andavanandro, ary ireo tranombarotra lehibe.

Teny an-dalana teny, dia nanentana ireo mpampiasa ny lalana ireo miaramila, ny amin’ny tokony hodian’izy ireo, ary ny tsy tokony hivezivezena eny anivon’ny fiarahamonina. Na teo aza ireo andraikitra lehibe noraisin’ny miaramila ireo, dia nandray ny asa tandrify azy ihany koa ireo zandary sy polisy.

Ny taksibe sy ireo fiarakaretsaka no hany hita fa nanaja ny tsy fahazoan’izy ireo miasa.

Tsy nisy na dia iray aza ireo fiara fitateram-bahoaka no niasa sy nivezivezy teny rehetra teny.

Ny maraina, araka ny vaovao voaray, dia nisy ihany ireo mbola niasa, fa rehefa niditra an-tsehatra ireo mpitandro filaminana, dia nody sy nampiditra ny fiara tany amin’ny garazy ireo mpamily.

Tantely A


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/ady-aminny-coronavirus-nivoaka-an-dakazerina-ny-miaramila-sy-ireo-blinde/

Copyright © 2014 . All rights reserved.