- Madagascar Television - https://matv.mg -

Alahadin’ny Paska : hivantana amin’ny fahitalavitra ny fotoam-pivavahana

Araka ny nambaran’ny filohan’ny Filankevitry ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM) ny Révérend Dr David Rakotonirina, dia amin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana lehibe izay handeha mivantana amin’ny Televiziona nasionaly sy ny onjampeom-pirenena no hankalazan’ny mpino Malagasy ny fetin’ny Paska amin’ny alahady hoavy izao. Mbola hikatona mantsy ireo fiangonana sy toeram-pivavahana rehetra, ka izay no anton’izao fanapahan-kevitra izao.

Hanomboka amin’ny 11  ora atoandro ny fotoana, hivantana avy eny amin’ny Katedraly Andohalo, ary ireo loham-piangonana efatra mirahalahy, ao amin’ny FFKM, no hitarika izany.

MR


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/alahadinny-paska-hivantana-aminny-fahitalavitra-ny-fotoam-pivavahana/

Copyright © 2014 . All rights reserved.