- Madagascar Television - https://matv.mg -

Analamanga : azo saziana izay tsy manao aro-vava

Araka ny didy izay navoakan’ny Prefektioran’ny Polisy eto Antananarivo omaly alakamisy, dia tsy maintsy manao aro-vava avokoa izay rehetra mivoaka ny trano eto amin’ny Faritra Analamanga. Azo saziana araka ny lalàna, noho izany, izay rehetra tsy manaraka izany fepetra izany.

Ankoatra izay, dia nifarana omaly alakamisy ihany koa ny fahafahana mandray ireo fiara fitaterana sy fiaramanidina ho an’ireo izay nody tany amin’ny Faritra niaviany avy. Tsy maintsy mihiboka any an-tranony avokoa mandritra ny 14 andro ireo mpandeha rehetra izay namonjy fodiana manerana ny Nosy. Izany moa dia iadiana amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus any amin’ireo Faritra izay tsy mbola ahitana izany.

Miteraka resabe ihany anefa ity fepetra iray farany ity, satria tsy ny Faritra rehetra no nandray sy nanaraka izany. Ny any Fianarantsoa sy Mahajanga izao, ohatra, dia nasaina nanao taratasy “lettre d’engagement” ireo mpandeha ireo ka manaiky fa hanao fihibohana mandritra ny 14 andro. Ho an’ny Distrika sy Faritra hafa anefa dia tsy misy izay fanerena izay, ka lasa mampisavorovoro ireo mpandeha sasany sy ny fianakaviany.

FA


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/analamanga-azo-saziana-izay-tsy-manao-aro-vava/

Copyright © 2014 . All rights reserved.