- Madagascar Television - https://matv.mg -

Analamanga : mitohy ny fizarana vatsy ho an’ny marefo

Amin’izao vanim-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena izao, dia manamafy ny asa sosialy ny Faritra Analamanga. Mitondra fanohanana hatrany ho an’ireo marefo ato anatin’ny Distrika 13 ao aminy ny Faritra Analamanga, izay tarihan’ny governora Hery Rasoamaromaka. Tsinjovina manokana ireo marefo toy ny zokiolona sy ireo zaza kamboty izay tena tsy mahita ho sarangotina tokoa ao anatin’izao fihibohana izao, araka ny nambaran-dRavomanana Vincent, Sekretera Jeneralin’ny Faritra. Omaly alakamisy 16 aprily, dia ny  toby fitaizana zaza sahirana sy kamboty, tantanan’ny relijiozy eny Nanisana, ny Akany Fiavotana eny amin’ny fokontany Ambohimandroso Ambohimanarina ary ny fikambanana DINA eny Ambohibao no nahazo fanampiana avy amin’ny Faritra Analamanga. Manentana hatrany ny rehetra moa ny Faritra Analamanga mba hanaja ny fepetra fihibohana ary ny fepetra hamerana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus. Ao anatin’izany ny tsy maintsy hanaovana aroava rehefa mivoaka ny trano. Eo ihany koa ny hanajana ny elanelana 1 metatra mba hampihenana ny fifindran’ny valanaretina.

Vola R


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/analamanga-mitohy-ny-fizarana-vatsy-ho-anny-marefo/

Copyright © 2014 . All rights reserved.