- Madagascar Television - https://matv.mg -

Andramasina : Nitondra fanampiana ho an’ny distrika ny Governora

Nanatontosa fitsidihana tao amin’ny distrikan’Andramasina ny Alakamisy lasa teo ny governoran’Analamanga Rasoamaromaka Hery. Nandritra izany no nanaterany ireo fanampiana avy amin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ho an’ny mponina ao amin’ity distrika ity.
Anisan’ny nahazo ny fanohanana ny beantitra tao amin’ny hopitaly sy CSB. Fanomezana izay nahitana sakafo samihafa (vary, siramamy, voamaina) ary kidoro. Nandalovan’ny gover­-
nora ihany koa ny maison familiale rurale Maroambitsika, Antsahondra, Ambohimiadana, Anosibe Tsimo­-
loharano ary Sabotsy Manjakavahoaka. Tamin’ity fitsidihana ity no nihainoana ireo fitarainan’ny mponina. Anisan’ny notsindrian’ny ben’ny tanàna mafy ny momba ny lalana mihazo an’Andramasina izay tena ratsy. Nilaza ny governora fa hojerena ny olana momba ny fotodrafitrasa ao Andramasina. Ny CSB II tao Ambohimiadana sy ny tranompokonolona ao Sabotsy Manjakavahoaka hoharenina satria tena efa simba sy tranainy hoy ny governora Rasoamaromaka Hery . Ary nambarany fa efa mijery ny fomba hanatanterahana izany ny teknisianina eo anivon’ny faritra.

Vola R


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/andramasina-nitondra-fanampiana-ho-anny-distrika-ny-governora/

Copyright © 2014 . All rights reserved.