- Madagascar Television - https://matv.mg -

Andranomanelatra : lehilahy nangala-katsaka niharan’ny fitsaram-bahoaka

Raim-pianakaviana iray no naratra mafy vokatry ny daroka nahazo azy tao amin’ny kaominina Ambohimiarivo Andranomanelatra. Raha ny marina dia fitsaram-bahoaka mihitsy no nahazo ity rangahy ity, satria tratran’ny tompony nangalatra katsaka ilay rangahy, ka dia io niharan’ny vono io. Ahiana mihitsy ny ainy satria dia maratra mafy izy eo amin’ny lohany vokatr’izany. Efa notsaboina tao amin’ny hopitaly Andranomanelatra ihany moa ilay rangahy, saingy noho ny fahitan’ny mpitsabo fa tsy vita ao intsony ny fitsaboana azy, dia voatery nentina namonjy hopitaly lehibe eto Antsirabe izy io. Marina fa maharary ary tsy zaka ny halabotry amin’izao vanimpotoana efa sarotra iainantsika izao, noho ity valanaretina mahafaty ity, saingy nampahatsiahy kosa omaly ny ben’ny tanàna ao Andranomanelatra, Atoa Baina Rasolofondramaria Renaud, fa tsy azo atao ary fandikan-dalàna ny fanaovana fitsaram-bahoaka.

MAMY (Antsirabe)


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/andranomanelatra-lehilahy-nangala-katsaka-niharanny-fitsaram-bahoaka/

Copyright © 2014 . All rights reserved.