- Madagascar Television - https://matv.mg -

Andry Rajoelina : Afaka mametraka fanontaniana ny vahoaka

Nilaza ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly fa afaka mametraka izay fanontaniana manitikitika azy avy ny vahoaka momba ny fepetra noraisin’ny Fanjakana manoloana ny famehezana ny valanaretina Coronavirus. Alefa ao amin’ny Facebook-n’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izany fanontaniana izany ka hatao ao anaty hafatra miafina. Ny TVM sy ny ministeran’ny Serasera no miara-miasa amin’ny fanangonana ny fanontaniana ka izay fanontaniana miverimberina imbetsaka no hovalian’ny Filohan’ny Repoblika


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/andry-rajoelina-afaka-mametraka-fanontaniana-ny-vahoaka/

Copyright © 2014 . All rights reserved.