- Madagascar Television - https://matv.mg -

Antsirabe : mitohy ny fanamboaran-dalana

« Na eo aza ny valanaretina Covid 19, dia mitohy hatrany ny asa fampandrosoana« , hoy ny nambaran’ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra, Vy Vato Rakotovao. Maromaro ny fanamboaran-dalana efa mizotra tsara eto an-tampon-tanànan’Antsirabe amin’izao fotoana izao. Tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity àry, dia nisy ny fitsirihana ny asa fanamboaran-dalana manomboka eo amin’ny Voirie mihazo an’Avaratsena iny, samy eto Antsirabe ambonivohitra avokoa, nataon’ireo Mpitondra sy olomboafidy eto Antsirabe, notarihan’ny governoran’ny Faritra. Efa vita ny ampahany amin’io lalana io, izay mirefy 1 km eo ho eo, vita rarivato. Marina fa tanàn-dehibe Antsirabe, saingy noho ny fananan’Antsirabe io akora vato io, dia nampiasaina izany. Hisy ihany koa anefa ny lalana izay harenina atao tara ihany. Tafiditra ao anatin’ilay famatsiam-bola avy amin’ny Fanjakana, nomeny hotantanan’ny Faritra, mitentina 500 tapitrisa ariary, no hanamboarana ny lalana. Nampitondraina ny anarana « opération lalana » mihitsy moa izao asa izao eto Vakinankaratra.  Ankoatra izay, dia efa tonga eto an-toerana ihany koa ireo jiro « Led Cobra » miisa 100, izay nomen’ny ministeran’ny Angovo ho an’ny tanànan’Antsirabe, ary efa manomboka mametaka azy ireny ny orinasa JIRAMA.

 MAMY (Antsirabe)


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/antsirabe-mitohy-ny-fanamboaran-dalana/

Copyright © 2014 . All rights reserved.