- Madagascar Television - https://matv.mg -

Antsirabe : nilamina ny fitaterana

Fiara taxi-brousse 56 no afaka nivoaka ny tanànan’Antsirabe omaly maraina vao mangiran-dratsy hatramin’ny 11 ora atoandro, fe-potoana voafetran’ny  toromariky ny Fitondrana. Somary nikorontana kely ihany fandaminana ny alatsinainy lasa, niteraka filaharambe teo amin’ny toby fiantsonana Piste Vatofotsy sy ny teo amin’ny Prefektiora nakana ilay fanomezan-dalana, satria dia fiara ampolony maro no niandry izany taratasy izany. Ho an’ny omaly anefa, dia efa nilamina ihany izany rehefa nosoloina ilay manifold fotsiny ny taratasy manokana fahazoan-dalana.  Efa nihavitsy ihany koa ny isan’ny mpandeha  raha avo roa heny ny isan’ny fiara izany ny alatsinainy lasa. Koa raha 56 àry ny fiara nanainga, ny 21 amin’ireo no fiara hihazo an’Antananarivo, ny 25 kosa dia mampitohy an’Antsirabe amin’ireo Distrika hafa , antsoin’ireo mpitatitra hoe tapa-dalana ary ny 10 farany kosa no zotra nasionaly. Nanamafy moa ny préfet eto Antsirabe, miadidy ny Faritra Vakinankaratra, Rtoa Andriatomponera Voahangy, fa tsy azo ekena velively ny tsy anarahan’ny mpitatitra ireo fepetra rehetra apetraka ho an’ireo fisokafan’ny fitaterana anatin’ny 3 andro ihany, izay hifarana androany. 

MAMY (Antsirabe)


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/antsirabe-nilamina-ny-fitaterana/

Copyright © 2014 . All rights reserved.