- Madagascar Television - https://matv.mg -

Asa antselika : irakiraka mpividy enta-madinika

Raha sahirana satria tsy afaka miasa ny ankamaroan’ny olona eto Antananarivo sy ny manodidina, raha matahotra ny ho very asa ny ankamaroan’ireo mpiasa eo amin’ny sehatra tsy miankina satria tsy misy vola miditra avy amin’ny asany, dia misy ihany koa ireo mahazo vahana satria misy karazana asa vao miforona.

Anisan’ireny ny fikaramana mamita iraky ny tokantrano izay tsy mahasahy mivoaka ny trano. Anisan’ireny i Zambety, tovolahikely 13 taona, izay mitady vola amin’ny alalan’ny fanatontosana ny iraka ampanaovin’ny olona azy. Vao maraina izy dia efa mihaodihaody eny rehetra eny, miandry izay mety haniraka azy… Mividy fahana ho an’ny finday, na enta-madinika izay tsy voavidin’ny mpiantsena, no anjarany.

Raha ny filazany, dia manodidina ny 2.000 Ariary hatramin’ny 5.000 Ariary ny vola miditra aminy ao anatin’ny iray andro. Tahaka ny asa fitadiavana rehetra anefa, dia miovaova ny toe-draharaha… “ Mila atao tsara ny iraka satria mila manana fahatokisana aminao ny olona mpaniraka. Izay no antoka hitohizan’ity asa fitadiavana ity”, hoy ny nambaran’ity tovolahikely ity.

Mbolatiana R


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/asa-antselika-irakiraka-mpividy-enta-madinika/

Copyright © 2014 . All rights reserved.