- Madagascar Television - https://matv.mg -

Fampianarana : Haverina an-tsekoly ny mpianatra

Hiverina an-tsekoly ireo mpianatra hiatrika  fanadinana ofisialy manomboka ny alarobia 22 aprily  ho avy izao ka ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana sy ny kilasy faha 9 no hanomboka izany. Ho an’ireo mpianatra kilasy faha- 7 kosa dia ny alatsinainy faha 27 aprily izy ireo no hiditra hianatra. Ireo no fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana ary nambaran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly.

Misy kosa ny fepetra tsy maintsy arahina. Tsy maintsy hampisotroana ilay fanafody vaovao Covid Organics ireo mpianatra tsirairay; tsy maintsy manao aro-tava ihany koa izy ireo ary  mpianatra iray isaky ny dabilio iray ihany no tokony ho izy .

Raha ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena dia tsy maintsy ho voatana ny datin’ny fanadinam-panjakana.

Mbolatiana R


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/fampianarana-haverina-an-tsekoly-ny-mpianatra/

Copyright © 2014 . All rights reserved.