- Madagascar Television - https://matv.mg -

Fanazavan’ny minisitra Razafimahefa Tianarivelo

Nitondra fanazavana ho fanamafisana ny fepetra noraisina hiadiana amin’ny Coronavirus ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana sady filohan’ny CCO, Atoa Razafimahefa Tianarivelo. Namafisiny fa ny Faritra Analamanga sy ireo Distrika rehetra ao anatiny ary ny Distrikan’i Toamasina I sy II irery ihany no nahiboka tanteraka sy mihidy. Mihidy tanteraka, araka izany, ny Faritra Analamanga sy ny Distrikan’i Toamasina I sy II. Tsy azo atao ny mivoaka sy miditra amin’ireo Faritra sy Distrika ireo.

Ho an’ny Faritra hafa ankoatra ireo nampiharana ny fihibohana tanteraka sy mihidy ireo kosa, dia mbola afaka mifamezivezy ny fiara mitondra olona tsotra sy ny entana ilaina andavanandro. Namafisiny, fa mbola mihatra tanteraka manerana ny Nosy ny  » Etat d’Urgence Sanitaire » ka tsy maintsy ampiharina daholo ireo fepetra rehetra mifandraika amin’izany. Ny Filohan’ny Repoblika irery ihany no afaka manambara fa mihidy ny toerana, Distrika na Faritra iray eto Madagasikara.

F.A


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/fanazavanny-minisitra-razafimahefa-tianarivelo/

Copyright © 2014 . All rights reserved.