- Madagascar Television - https://matv.mg -

Fandehanana an-tsokosoko any amin’ny faritra : Taksiborosy 4 nogiazana

Taksiborosy efatra no nogiazana etsy Anosipatrana ny Zoma sy ny Asabotsy lasa teo. Izany dia noho izy ireo saika hiondrana an-tsokosoko any amin’ny faritra.
Samy nisy mpandeha avokoa ireto sprinter ireto no nosakanan’ny polisy teny Ambohimanarina sy Tanjombato. Rehefa nosavaina dia tsy nahitana taratasy ara-dalana na teny amin’ny mpamily na teny amin’ireo mpandeha. Araka ny vaovao voaray dia saika hiondrana an-tsokosoko ho any Marovoay sy Fianarantsoa ary Ihosy izy ireo. Tao anatin’ny herinandro maro izay dia voarara ny fivoahana sy ny fidirana an’Analamanga. Izany dia nohon’ny ady hiraisina amin’ny valan’aretina “coronavirus”. Tsy nanavahana io fepetra io, hafa tsy ho an’ireo izay manana fahazoan-dalana manokana irery ihany.
Manoloana izany indrindra dia tsy an-kiato ny fanaraha-maso ireo lalam- pirenena, indrindra ny mivoaka sy miditra an’Analamanga. Tao anatin’izany no nahatratrarana izao tsy fanarahan-dalàna izao, ary tsy maintsy nanagiazana ireo fiara.

Tantely A


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/fandehanana-an-tsokosoko-any-aminny-faritra-taksiborosy-4-nogiazana/

Copyright © 2014 . All rights reserved.