- Madagascar Television - https://matv.mg -

Farafangana : trano 25 tafo lasa lavenona

Nisehoana haitrano nahery vaika tany Ambohitrabo Farafangana ny alin’ny alarobia lasa teo. Trano 25 no lasa lavenona. Olona miisa 120 no tsy manan-kialofana.

Hatreto dia tsy mbola voafaritra mazava ny niandohan’ny afo. Haingana dia haingana dia niparitka izany ka nahazo ireo trano 24 manodidina teo. May avokoa  ny entana rehetra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na koa ny naratra tamin’izao tranga izao.

Very fanahy mbola velona ireo mponina any an-toerana manoloana ny fahavoazana goavana nahazo azy ireo tampoka. Tonga nidina ifotony nijery ny fahavoazana sy nankahery ireo traboina ny Fiadidiana ny kaominina notarihan’i Ben’ny Tanàna Rajoely Marcellin, ary nanambara fa hijery izay fomba azo atao hamonjena haingana ireo tsy manan-kialofana.

Tr.



Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/farafangana-trano-25-tafo-lasa-lavenona/

Copyright © 2014 . All rights reserved.