- Madagascar Television - https://matv.mg -

Fianarantsoa : naverina nakatona ny sekoly noho ny mpianatra mampiahiahy

Naverina nakatona avo­koa ireo sekoly efa nanomboka nandray mpianatra any amin’ny ZAP 3, distrikan’I Lalangigna any amin’ny Faritra Matsiatra ambony. Araka ny fanazavan’ny Prefe any Fianarantsoa, Ralaiharison Nirina Thierry, dia nisy fianakaviana iray nahiahiana ho tratran’ny aretina Cornavirus tao amin’ny tanànan’Iboaka, ka mpianatra ny iray tamin’izy ireo. Olona 8 mianaka izy ireo no iray trano. Nalefa avy hatrany nanaovana fitililana sy fanaraha-maso ara-pahasalamana tany amin’ny CHU Andrainjato Fianarantsoa ity fianakaviana ity, hoy ny fanazavana.
Teo anatrehan’izany, nandray fepetra ho fiarovana ny mpianatra sy tsy hiparitahan’ny aretina ny foibem-paritry ny Fanabeazam-pire­-
nena sy ny Fampianarana Teknika ary arakasa, nam­piato ny fampianarana tamin’ireo sekoly any amin’ny distrikan’I Lalangigna. Naverina nakatona indray ireo sekoly izay efa nisokatra ary nanomboka nandray ireo mpianatra hiatrika fanadinam-panjakana.
Ireo sekoly rehetra tafiditra ao anatin’ny ZAP 3, hoy Razafindrakoto Victor, Talem-paritry ny fanabea­zam-pirenena any Fiana­rantsoa, no nandraisana izao fepetra izao mandritra ny herinandro. Tafiditra anatin’izay ny ao amin’ny kaominina Ambalakely, Ambala­-
mahaso ary alakamisy Ambohimaha.

FA.


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/fianarantsoa-naverina-nakatona-ny-sekoly-noho-ny-mpianatra-mampiahiahy/

Copyright © 2014 . All rights reserved.