- Madagascar Television - https://matv.mg -

Fianarantsoa : niato ny fihibohana, niverina niasa ny fitateram-bahoaka

Araka ny vaovo farany azo avy any Fianarantsoa, da niverina niasa ireo fiara fitateram-bahoaka. Niato araka izany, ny fihibohana. NIhaona tamin’ny mpanao gazety ny marainan’ny 03 aprily 2020 Atoa Razafindrafito Lova Paupil, Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony ary naneho fialantsiny satria voatery niverina tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny nampihatra ny fihibohana.

 “Raha ny zava-misy teto Fianarantsoa, dia anisan’ny azo lazaina fa lasa aloha tamin’ny fandraisana fepetra ny Faritra Matsiatra Ambony mba ho fiarovana ny vahoaka amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina Covid 19, ka nandigana tamin’ny fanapahana noraisin’ny Fanjakana foibe izany”, hoy ny Governora. Niala tsiny noho izany ny tenany ary nilaza fa miverina amin’ny fanapahan-kevitra ka dia nosokafana hiasa ny fitateram-bahoaka.

Namafisiny anefa fa tsy maintsy hajaina ny fepetra ara-pahasalamana amin’ny elanelana 1 metatra. Efa misy ny fepetra noraisina miaraka amin’ny Kaominina amin’ny fanomezana “désinfectants” an’ireo fiara mpitatitra. Miverina amin’ny fiainana andavanandrony, araka izany, ny any Fianarantsoa.

F.A


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/fianarantsoa-niato-ny-fihibohana-niverina-niasa-ny-fitateram-bahoaka/

Copyright © 2014 . All rights reserved.