- Madagascar Television - https://matv.mg -
Fianarantsoa : olona 3 ahiana ho matin’ny pesta amin’ny havokavoka
Olona 3 no voalaza fa namoy ny ainy tany Fianarantsoa vokatry ny aretina ahiahiana ho petsa amin’ny havokavoka. Araka ny nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny CHUI Tambohobe, dia ankizy ny 2 ary lehilahy efa lehiba ny fahatelo.
Hatramin’ny fotoana nahazoana ny vaovao, dia tsy misy mbola tena manamarina fa Pesta no nahafaty ireo olona telo ireo, na dia mitovy tanteraka amin’ny fitrangan’ny aretina Pesta mpahazo ny havokavoka aza ny fisehony. “Ahiahy no azo apetraka hatreto, satria ny vokatry ny fitiliana atao any anivon’ny Institut Pasteur de Madagascar ihany no afaka manamarina amin’ny fomba ôfisialy fa pesta amin’ny havokavoka na tsia no nahafaty ireo olona ireo”, hoy ity loharanom-baovao ity.
Raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpanao gazety any Fianarantsoa, izay tafaresaka tamin’ny fianakavian’ilay lehilahy maty, dia tsy azo niaretan-tory ary avy hatrany dia nalevina tahaka ny fomba fanao amin’ny fandevenana ny olona matin’ny pesta, ilay lehilahy namoy ny ainy.
Nandray andraikitra avy hatrany ihany koa ny manampahefana eo anivon’ny Kaominina any Fianarantsoa an-drenivohitra nanentana ny olona mba samy hitandrina eo anatrehan’izany tranga mampiahiahy izany. Nanomboka ny andron’ny 02 Aprily 2020 teo, dia efa mandraraka fanafody amin’ireo fokontany izay mampiahiahy amin’ity trangana valanaretina hafa, ankoatra ny Covid-19, izay efa nahafatesana olona ity, ny any Fianarantsoa.
F.A
Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg
URL to article: https://matv.mg/fianarantsoa-olona-3-ahiana-ho-matinny-pesta-aminny-havokavoka/
Cliquer ici pour imprimer.
Copyright © 2014 . All rights reserved.