- Madagascar Television - https://matv.mg -

Fihibohana : tokony ialana tsikelikely

Firenena vitsivitsy toa an’i Frantsa sy Italie no ahitana fihatsarana kely eo amin’ny isan’ny olona matin’ny valanaretina Coronavirus. Mbola vitsy dia vitsy anefa ny fihenana ka tsy tokony mbola hilaza fa resy ny aretina…

Ho an’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fahasalamana (OMS) dia mila tandremana tsara ny fomba fialana amin’ny fepetran’ny fihibohana, tahaka ny nataon’i Chine. Raha tsy ho voaaraka tsara mantsy ireo fepetra, dia mety hitarika fahafatesana mirarakompana indray izany… “Raha atao haingana loatra ny déconfinement dia mety hitarika fiparitahana haingana dia haingana indray”, hoy i Sylvie Briand, Talen’ny Departemanta fanomanana momba ny areti-mifindra eo anivon’ny OMS.

Tokony handeha tsikelikely izany fialana amin’ny fihibohana izany. Tena fahavalo goavana ny famoriana olona sy ny fivezivezena. Tokony hahena sy tazonina ho kely hatrany ny fihetsehan’ny olona izay tena mitarika ny fihetsehan’ny otrikaretina.

Entina hisaintsainantsika ihany izany fanazavana izany. Isika izay nahitana goragora ihany teo amin’ny fepetra fihibohana tao anatin’ny herinandro fahatelo lasa iny. Antenaina fa samy hahatsiaro tena ao anatin’ity herinandro faha-4 ity.

Mbolatiana R


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/fihibohana-tokony-ialana-tsikelikely/

Copyright © 2014 . All rights reserved.