- Madagascar Television - https://matv.mg -

FIM : dans le Top 100 des événements économico-commerciaux de l’Océan Indien

FIM : dans le Top 100 des événements économico-commerciaux de l’Océan Indien

Azo inoana avy hatrany fa tsy hitsahatra ny resabe ateraky ny raharaha Claudine Razaimamonjy raha tsy hita taratra mazava ny fizotry ny raharaha. Maro ary mitombo isan’andro ny resaka miely, anisan’izany ny momba ity fiaramanidina iray ity…

Mbola miteraka resaka marobe eto amintsika, indrindra any Fianarantsoa, ny raharaha Claudine Razaimamonjy. Niteraka resabe tany an-drenivohitr’i Fianarantsoa ny fisian’ny fiaramanidina iray tonga tany an-toerana ny faran’ny herinandro lasa teo. Nandeha ny resaka fa efa tafaverina Ramatoa mpanolotsainan’ny filoha. Ny tompon’andraikitra sy ny manampahefana any an-toerana rahateo nangina tanteraka ary tsy nahazoam-
panazavana mihitsy, hoy ny mpanao gazety any an-toerana momba ity fiaramanidina ity. « Ny zoma nialoha ny Paska no tonga taty Fianarantsoa io fiaramanidina io. Ny alahady vao niala teto. Nahagaga ny olona izany satria efa tsy misy loatra intsony ny fiaramanidina tonga mihantsona eto Fianarantsoa raha tsy fiaramanidina mitondra manam­-
pahefana na mpitondra ambony », hoy ny loharanom-baovao. Araka ny fanama­-
rinam-baovao natao tamin’ireo olona akaikin’ny antoko HVM any an-toerana, dia ny loholon’i Madagasikara izay niara-dia tamin-dRamatoa Claudine Razaimamonjy tatsy amin’ny Nosy Maurice no efa tonga tany an-toerana. Fifanojoan-javatra sa tena nisy antony tokoa. Araka ny fanazavana mantsy, dia tamin’io andro zomà izay voalaza fa nahatongavan’ny fiaramanidina tany an-toerana io ihany koa no nambaran’ny loharanom-baovao fa nahatongavan’ilay loholon’i Madagasikara tany an-toerana. Sarotra ny fanadihadiana sy ny fanamarinam-baovao any Fianarantsoa momba ity raharaha ity, hoy ny mpanao gazety any an-toerana. Andaniny ireo manampahefana izay heverina fa tokony hahazoana ny fanamarinam-baovao dia misafidy hangina, ny sasany amin’izy ireo aza moa dia tsy tazana ao Fianarantsoa tato anatin’ny herinadro vitsy izao, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Ankilany, ireo olon-tsotra izay akaiky ny HVM, indrindra ireo izay niakatra teto Antananarivo ary nitonona ho zanak’i Fianarantsoa, tsy misy manaiky miresaka loatra noho ny tahotra an’izay mety ho tohin’ny tantara. Misy amin’izy ireo mihitsy no mandà ary milaza fa tsy anisan’ny zanak’i Fianarantsoa mba tsy ho voasaringotra, hoy ny fanazavana.

F.A


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/fim-dans-le-top-100-des-evenements-economico-commerciaux-de-locean-indien/

Copyright © 2014 . All rights reserved.