- Madagascar Television - https://matv.mg -

Fisotroana Covid-Organics : Mijoro vavolombelona ilay eveka

Nitafa tamin’ny mpanao gazety i Mgr Randriamamonjy Marcellin, taorian’ny nanoloran’ny biraom-paritra misahana ny ady amin’ny covid-19 any Analanjirofo azy ny taratasy fanamarinana ny fahasitranany tamin’ny aretina. Anisan’ireo nararin’ny aretina Coronavirus ny tenany ary efa sitrana amin’izao fotoana izao. Nanaiky noraisim-peo sy nalaina sary izy nijoro vavolombelona tamin’ny fisotroana ilay tambavy covid organics, ny Alakamisy 30 Aprily lasa teo.
Ny 07 Aprily lasa teo no nahitana fa nisy tranga roa niabo tao Fenoarivo Atsinanana. Iray tamin’ireo ny Evekan’i Fenoarivo Atsinanana. Avy namita iraka tany Italia ny tenany ary tonga tamin’ilay sidina farany niditra teny Ivato. Nandritra ny fotoana nitazomana azy teto Antananarivo, dia niiba hatrany ny vokatry ny fitiliana natao tamin’i Mgr Randriamamonjy Marcellin. Nalefa tany Fenoarivo Atsinanana izy avy eo ary mbola nitohy ny fanaraha-maso ny fahasalamany. Teo no nahitana fa lasa niabo indray ny valin’ny fitiliana ka dia noraisina an-tanana izy.
“Ankoatra ny fanafody hafa nampiasaina, dia nisotro ny tambavy Covid Organics aho ary nahatsara ny fahasalamako sy niteraka fahasitranana ho ahy izany”, hoy i Mgr Randriamamonjy Marcellin, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana .
Eo amin’ny faha-57 taonany i Mgr Randriamamonjy Marcellin amin’izao fotoana izao. Na dia sitrana ary efa notolorana ilay taratasy fanamarinana aza ny tenany, dia fantatra fa mbola manohy ny fihibohana 15 andro, araka ny takian’ny fepetra ara-pahasalamana.

FA.


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/fisotroana-covid-organics-mijoro-vavolombelona-ilay-eveka/

Copyright © 2014 . All rights reserved.