- Madagascar Television - https://matv.mg -

Fivadiham-pitokisana : Tratra izy 2 lahy nitsoaka niaraka tamin’ny vola 28 tapitrisa

Tovolahy miisa roa no voasambotry ny zandary ao amin’ny compagnie Antsiranana tao amina trano fandraisam-bahiny iray tany an-toerana afakomaly. Tompon’antoka tamin’ny halatra vola 28 tapitrisa ariary moa izy ireto raha araka ny fantatra.
Ny Asabotsy 4 Aprily lasa teo no fantatra fa tonga nametraka fitarainana tao amin’ny zandarimaria tany Antalaha ny mpandraharaha iray izay tompon’ny vola very. Volana lavanila io vola io raha araka ny fantatra.
Ireo roalahy voalaza ireo ihany koa dia fantatra fa miasa amin’ity mpandraharaha ity ary olona nitokisany, kinanjo nentin’izy ireo nitsoaka ny vola 28 tapitrisa ariary. Nametraka fitoriana teo anivon’ny zandarimariam-pirenena taoAntalaha ny tompon’ny vola rehefa izany.
Nandeha ny fanadihadiana ka noho ny fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitrapo sy ny fahaiza-manao manokan’ny zandary dia fantatra fa mipetraka ao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray ao Antsiranana izy ireo.
Natao noho izany ny vela-pandrika ka noraisim-potsiny ireo mpa­nao ratsy. Averina any amin’ny Compagnie ny Zandarimariam-pirenena any Antalaha ny raharaha raha ny fantatra.

Tr.


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/fivadiham-pitokisana-tratra-izy-2-lahy-nitsoaka-niaraka-taminny-vola-28-tapitrisa/

Copyright © 2014 . All rights reserved.