- Madagascar Television - https://matv.mg -

Isotry : 4 lahy noraofin’ny polisy

Na dia eo aza ny hamehana ara-pahasalamana izay andraisan’ny polisy anjara mavitrika, dia mitohy hatrany ny andraikitr’izy ireo andavanandro toy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-jiolahy. Ny faran’ny  herinandro teo, dia olona 4 no voasambotry ny  Polisim-pirenena teny Isotry. Izy efadahy ireto no anisan’ny mpanendaka mpitondra zava-maranitra mampihorohoro vahoaka eny Isotry sy ny manodidina iny. Nilatsaka teny an-toerana ny Polisin’ny boriboritany faha-4 nanao ny paikady rehetra nisamborana azy ireo ka tra-tehaka teny Antetezana Afovoany, teo am-pifohana rongony mialoha ny hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny, ihany izy 4.

Ankoatra izay dia lehilahy  iray ihany koa, izay fantatra fa  mpamaky trano eny Alasora, no tratran’ny Polisy teny an-toerana tao amin’ny fokontany Ankadiavo omaly ihany. Tafaporitsaka kosa ny naman’io lehilahy io. Tokantrano 06 eny an-toerana moa no nitory ity lehilahy ity taorian’ny fisamborana nataon’ny Polisy azy.

TR.


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/isotry-4-lahy-noraofinny-polisy/

Copyright © 2014 . All rights reserved.