- Madagascar Television - https://matv.mg -

Jiolahy maty tetsy Ankadivato : Navelan’ny fianakaviana ao amin’ny tranom-paty ny razana

Jiolahy maty tetsy Ankadivato : Navelan’ny fianakaviana ao amin’ny tranom-paty ny razana

11

Tahotra ny hahavoaroiroy sa ahiahy amin’ny resaben’ny mpiara-monina? Matetika, tsy misy maka ny razan’ireo jiolahy lavon’ny balan’ny polisy na ny zandary. Indraindray koa anefa, milaza ny havan’ireny voalaza fa jiolahy ireny fa mamonomono foana ny mpitandro ny filaminana. Tsy nandrenesam-peo kosa ny havan’ireo jiolahy lavo teny Ankadivato…

Mbola ao amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny vata-mangatsiaka an’ireo jiolahy miisa roa izay voatifitry ny polisy avy ao amin’ny USI, na ny “Unité Spéciale d’Intervention”, tetsy Ankadivato,  hatramin’ny omaly hariva nanoratana ny lahatsoratra.
Raha araka ny loharanom-baovao, dia tsy mbola nahetsika tao ireo razana. Fantatra kosa nefa, fa efa nandalo nijery izany ny fianakaviana taorian’ireny tranga tamin’ny alatsinainy ireny. Tsy fantatra nefa na mbola manana olana, na antony hafa, fa dia tsy mbola niverina ireo fianakavian’ireto jiolahy ireto. Ny fantatra, dia avy any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara iny ireto jiolahy ireto.
– Mikasika ny fanadihadiana an’ity raharaha ity, dia fantatra fa eo am-pikarohana an’ireo jiolahy roa tafatsoaka ny polisy avy amin’ny “brigade criminelle”.
– Raha tsiahivina ny zava-niseho, dia maty voatifitra izy roa lahy ireto.  Teo am-piketrehina fanafihana iny izy ireo no tratran’ny polisy. Nasain’ny polisy nijanona, nefa dia tsy nanaiky  ary namoaka basy pistolet vita gasy sy tena izy iray. Raikitra ny fifampitifirana, ka maty tsy tradrano tamin’izany izy ireo.

TR.


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/jiolahy-maty-tetsy-ankadivato-navelanny-fianakaviana-ao-aminny-tranom-paty-ny-razana/

Copyright © 2014 . All rights reserved.