- Madagascar Television - https://matv.mg -

Laissez-passer Covid-19 : olona 2 tratra nampiasa fahazoan-dalana sandoka

Olona 2 no nosamborin’ny polisy tetsy Analakely manakaiky ny “building Ramaroson” omaly talata, noho ny fampiasan’izy ireo taratasy fahazoan-dalana Covid-19 sandoka.

Samy nitondra fiara izy roalahy ireto no nosakanana sy nanaovana fanamarinana. Nandritra izany no nibaribary ny hosoka nataon’izy ireo, ka avy hatrany dia nentina tetsy amin’ny kaomisaria foibe izy ireo. Nihevitra mantsy ireto mpamily ireto fa rehefa misy ireny takelaka « Covid-19 » apetraka amin’ny fiara ireny, dia tsy hisava azy ny Polisy.

Nosakanana anefa izy ireo ka rehefa nosavaina ny taratasy fahazoan-dalana dia tsy nanana izany  ireto farany, nojerena ihany koa ireo takelaka « Covid -19 » ary fantatra fa sandoka izany.

Mazava ny fanazavana, fa na ireo fiara mampiasa itony takelaka itony aza dia azo sakanana foana ihany sy savaina ary hamarinina ireo taratasy rehetra.

Efa miatrika ny fanadihadiana sy ny famotorana eny amin’ny polisy izy roalahy ireto taorian’io fisamborana io.

Tantely A


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/laissez-passer-covid-19-olona-2-tratra-nampiasa-fahazoan-dalana-sandoka/

Copyright © 2014 . All rights reserved.