- Madagascar Television - https://matv.mg -

Lazaina Avaradrano : ny zanany 10 taona no niara-namaky trano tamin’ilay rangahy

Voasambotry ny fokonolona ny marainan’ny alatsinainy teo ny lehilahy iray niaraka tamin’ny zanany lahy vao 10 taona monja. Niara-namaky trano moa izy mianaka ireo teny Lazaina Avaradrano.
Voalazan’ny loharanom-baovao fa dia nazeran’izy ireo ny andrinjiro nitondra herinaratra ao amin’ilay trano nialoha ny nidirany. Tafiditra antsokosoko tao amin’ilay trano izy ary efa nanomboka nanangona ny entana rehetra tao. Voalaza moa fa ny fahitalavitra lehibe dia efa tafavoakany.
Nandritra izany anefa dia mbola nanana fotoana ihany izy nakana ny labiera tao anaty vata fampangatsiahiana tao amin’ilay trano, ka mbola nisotro ary mamo noho izany. Nisy nahatsikaritra ny zava-niseho ka avy hatrany dia niditra an-tsehatra ny fokonolona sy ny polisy ka voasambotra ilay lehilahy sy ilay zanany lahikely.
Efa eo ampelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.

TR.


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/lazaina-avaradrano-ny-zanany-10-taona-no-niara-namaky-trano-taminilay-rangahy/

Copyright © 2014 . All rights reserved.