- Madagascar Television - https://matv.mg -

Mahajanga: Tsy maintsy miditra « quarantaine » avokoa ireo mody any Mahajanga

Eo anatrehan’ny fampiharana ny fepetra nambran’ny filoham-pirenena tamin’ny Alahady 05 Aprily 2020 lasa teo, momba ny fahafahan’ny olona miverina mamonjy ny faritra fiaviany, dia nandray fepetra hentitra ny any Mahajanga, ankoatra ireo fepetra efa iraisana momba ireo fiara mpitatitra mpandeha. Tsy maintsy atoka-monina ireo rehetra izay tonga any an-toerana.

Nivory maika, tamin’ity andro voalohany ampiharana ny fepetra ity, ny mpikambana ao amin’ny CCO Covid 19 any amin’ny faritra Boeny, mba ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka ary ho fiarovana ny vahoaka ao amin’ny faritra. Tapaka nandritra izany fa tsy maintsy miditra “mise en quarantaine” avokoa ireo olona mody any Mahajanga, hoy ny Ben’ny tanàna Mokhtar Salim Andriantomanga, mitatitra sy mampahafantatra ny fanapahan-kevitra ao amin’ny tambazotra sôsialy.

DRR.


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/mahajanga-tsy-maintsy-miditra-quarantaine-avokoa-ireo-mody-any-mahajanga/

Copyright © 2014 . All rights reserved.