- Madagascar Television - https://matv.mg -

Moramanga : tovolahy maty voatsatoka vaki-tavoahangy teo an-tendany

Vono olona mahatsiravina, niseho tao Tsaramandroso Moramanga ny faran’ny herinandro lasa teo. Lehilahy iray 27 taona no maty noho ny ratra mafy natao azy.  Olona 4, voampanga ho namono azy, no naiditra am-ponja vonjimaika tamin’izany.

Ny harivan’ny alahady lasa teo no niseho ny tranga. Nambaran’ny  loharanom-baovao avy any an-toerana fa tavoahangy novakiana no nampiasaina natsatoka teo amin’ny tendan’ilay lehilahy, namonoana azy ho faty. Niezaka ihany nitondra azy io teny amin’ny hopitaly moa ny olona nahita azy, saingy maty teny an-dalana izy noho ny rà be loatra very.    

Disadisa teo amin’ny samy mpisotro toaka tao amina trano fisotroana iray no anton’izao loza izao. Rehefa raikitra ny fifampakasihan-tanana dia navoakan’ny tompona tsena izy 5 lahy ireo, saingy toa mbola nitohy ny fifamaliana.

Tamin’io alina io ihany dia nidina teny an-toerana ny polisim-pirenena ka nanatanteraka ny fisamborana azy 4 lahy naman’ilay maty.

Ny talata lasa teo no niakatra Fampanoavana ny raharaha. Miandry ny fitsarana azy ireo, araka izany, izy 4 lahy ireo.

TR.



Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/moramanga-tovolahy-maty-voatsatoka-vaki-tavoahangy-teo-an-tendany/

Copyright © 2014 . All rights reserved.