- Madagascar Television - https://matv.mg -

Niakatra ny saran-dalana

Niakatra avokoa ny saran-dalana amin’ireo fiara mpitondra mpandeha amin’ny zotra nasionaly sy rezionaly, mandritra izao fisokafana vonjimaika izao. Saika manodidina ny 100% ny fiakarana. Araka ny fanazavan’ny mpitatitra, dia vokatry ny famerana ny isan’ny mpandeha, ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana sy ny tsy fisian’ny mpandeha rehefa miverina, no antony nahatonga ny fampiakarana.

Santionany vitsivitsy amin’ny saran-dalana. Niakatra 40 000 ariary ny saran-dalana raha avy any Fianarantsoa miakatra aty Antananarivo. Tafakatra 60 000 ariary kosa izany ho an’ny fiara sasany mampitohy an’Antananarivo sy Fianarantsoa, raha toa ka 25 000 ariary na 30 000 ariary izany teo aloha. Niakatra avo roa heny ihany koa ny saran-dalana ho an’i Morondava. Lasa 70 000 ariary izany raha toa ka 35 000 ariary teo aloha. Lasa 120 000 ariary ihany koa ny saran-dalana mankany Betroka avy eto Antananarivo, raha toa ka 60 000 ariary ny teo aloha.

Betsaka ireo mpandeha latsaka anelanelany noho ny fahamaroan’ireo te hamonjy fodiana. Misy amin’izy ireo no tafahitsoka eny amin’ny tobim-piantsonana satria sady tsy mbola nahazo fiara no efa lany vatsy ka tsy afaka handeha an-tongotra hamonjy ny toeram-ponenana misy azy eto Antananarivo.

F.A


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/niakatra-ny-saran-dalana/

Copyright © 2014 . All rights reserved.