- Madagascar Television - https://matv.mg -

Nitolona polisy vavy : mpivarotra akoho eny amoron-dalana naratra voadaroka

Tovolahy iray, mpivarotra akoho eny amoron-dalana, no naratra voadaroka, ny 18 Martsa lasa teo, tany Fianarantsoa, nandritra ny fandaminana nataon’ny Kaominina. Araka ny fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana, dia nanohitra ny fandraràna ny fivarotana amoron-dalana ilay tovolahy, ka nitolona polisy vavy iray nanao ny asany.

Nitory noho ny herisetra natao taminy kosa ny fianakaviany. Araka ny fanazavana  avy amin’ny fianakavian’ilay tovolahy mpivarotra akoho, dia nentina tany amin’ny birao iray ao Tsianolondroa izy ary nodarohana, ka naratra vokatr’izany. Mpiasa mpamonjy voina iray any Fianarantsoa no notondroin’ny fianakaviana ho nikasi-tanana azy. Efa nohenoina tany anivon’ny Fampanoavana tany amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany any Fianarantsoa ilay mpamonjy voina, ary nahazo fahafahana vonjimaika.

Raha ny fanazavana teny anivon’ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana anefa, dia voalaza fa noho ny fikasihan-tanana sy fitolomana ilay polisy monisipaly vavy no nahatonga ny fifandonana ka niteraka ny faharatrany.

F.A


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/nitolona-polisy-vavy-mpivarotra-akoho-eny-amoron-dalana-naratra-voadaroka/

Copyright © 2014 . All rights reserved.